4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tany an'ala - Jeneraly

Izao ora izao no entiko hanambara etoana

Ilay fotoana tsy hay hadinoina

Fotoana izay niarahantsika tany an’ala

Ka teny indrindra isika roa no nifanadala



Nioty voninkazo ery amoron-kady

Toa mpanambady andro alahady

Nitangotango foana teny dia nandihy

Nandihy sangodina eny amorom-parihy.



Ireo siokam-boronkely

Izay re ombieny ombieny

Ireny no mozika izay nandihizantsika

Nakipiko ny masoko, nakomboko ny molotro

Saika hilaza zavatra, kanefa tena vahotra.

Fa vetivety teo injay nisy feo

Toa feon’angorodao, hay va re ka feonao

Nibitsika mangiana nitady hatoriana

Fa vizambizana ka hiala sasatra.



Velarinao eo amin’ny tany ny lambahoany

Tsara aok’izany, toa anao ihany

Dia teo indray isika roa no nandihy

Fa mangatsiaka ery amoron’ilay farihy



Nihanalefaka ny feon’ny mozika

Nandihizantsika tsisy mpahita

Tsy nisy koa moa nahare izany hira izany

Afa-tsy izaho sy ianao teo ihany.



Tsy nahalala nody fa tsara fanafody

Ka tany an’ala tany no saika hanorina akany

Ny lanitra no tafo, fitia e no sakafo

Raha vitan’izany moa maninona tokoa ?

Indrisy rediredy, ianao ve tsy ho bedy ?

Kanefa azo atao raha manaiky ny mamanao

Lazao azy mangina ny tena fifaliana

Fa any an’ala any no ahitana an’izany.

DIA IZAY.

Partager tany an'ala

Commenter tany an'ala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite