4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompon-tsafidy (lola - Lahy)

              



Ny vavako vao miteny dia ny anaranao

Izaho mahatsiaro irery raha lavitra anao

Ny saiko tsy tana fa mitady

Ity foko tsy tony toa miangavy



Izay kely ananako omeko tsotr \\’izao

Na ny aiko aza hafoiko raha mbola ianao

Hasambarana ho ahy ny mizara

Tena avy ato anaty ry malala



Ho sasa-poana izay mitady handrava

Ny antsika tsy ho foana

Mbola hitohy lalandava



Ref: Tsy azon \\’iza fefena ny foko

       Ny mitia anao mbola zoko

       Sanatria raha vavan \\’olona no hahakivy

       F\\’izaho sy ianao no tompon-tsafidy

      



Ianao tokoa anie no fifaliana

Manafoana ny hakiviana

Tojo an \\’ilay olon-tiana aho

Dia tsy iza f \\’ianao izay nirina



Ireo Ray aman-dReny, fanaja izy ireny

Ny antsika koa tsy an-tery

Ilay fitia no mahery

Partager tompon-tsafidy (lola

Commenter tompon-tsafidy (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite