4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompo-tsafidy (lola - Lahy)



Ny vavako vao miteny dia ny anaranao

izaho mahatsiaro ireny raha lavitra anao

ny saiko tsy tana fa mitady

ity foko tsy tony fa miangavy



na ny kely ananako omeko tsotra izao

na ny aiko aza hafoiko raha mbola ianao

hasambarana ho ahy ny mizara

tena avy ato anaty ry malala

ho sasa-poana izay mitady handrava

ny antsika tsy ho foana mbola hitohy lalandava





          tsy ho azon’iza fefena ny foko

          ny mitia anao mbola zoko

          sanatria raha vavan’olona no hahakivy

          dia izaho sy ianao no tompo-tsafidy           x2





ianao tokoa anie no fifaliana

manafoana ny hakiviana

tojo an’ilay olon-tiana

dia tsy iza fa ianao izay nirina





ireo Ray aman-dreny

fanaja izy ireny

ny safidy koa tsy an-tery

ilay fitia no mahery


Partager tompo-tsafidy (lola

Commenter tompo-tsafidy (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite