4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vehivavy (lola - Lahy)

Vehivavy



F’angaha raha tsotra ny vehivavy

Dia araraotina ohatr’izany

Efa fantatrao f’izy tsy handao

satria babonao



Lazaina kapain-tsy hita fery

Nefa tsy hahavita tena irery

Raha niangavy miladilady

avy eo mila ady



   Efa betsaka loatra ny zioga izay

      nentin’ireny vehivavy

   Atsaharo fa fomba mahamenatra

      efa lany andro



Ref:

     Ny vehivavy fanaja,

     Naterany ianao f’aza gaga

     Raha toa mitady ho solafaka ianao

     Eritrereto ny anabavinao



     Mitazona ny teny nomeny

     Izany no tena fahendreny

     Fa izy rehefa tia dia tia

     Miandrandra anao ho doria



Ireharehanao ny hoe mahazaka

Mitabataba ery ny vava

Ny fahalemena izay tokony hafenina

vao mainka adera



Raha sipa anefa no manao

Mila hitapy ny anao

Mibabababa fa tsy mahazaka

iaraha-mahalala

  

   Ny fitiavantena no betsaka ny azy

      Ka dia sahy manambany vehivavy

   Rehefa tojo ny mafy anefa

      Dia any ihany no miantefa



(Atolotro ho an’ny vehivavy rehetra eto amin’ny tononkira)

Partager vehivavy (lola

Commenter vehivavy (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite