4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anjavidy - Vola sy Noro

Anjavidy miredareda

Ilay foko ela niandrasana

Tonga ianao mody tsy miraika

Kanjo vainafo toa ahy koa dorehitra



Tsy namidy toa etam-barotra

Ilay fitia tao ampo kotrehinao oh oh oh

Tonga ianao zay vao hary elatra

Hiaraka hisidina hiray angotingoty aminao



Tena manga ve ny lanitra

Sa ny masoko izay mahita anao

No mandoko mafinaritra

Ny tazaniko rehetra tarafinao



Toa ny lavaka mahafanina

No nisainako ny ho aviko

Noho ianao ireny fa tsy fantatrao

Soa ihany tonga ianao

Partager anjavidy

Commenter anjavidy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro