4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola tia - Vola sy Noro

MBOLA TIA.



Ho aiza intsony moa, tsy hita izay aleha

Maizina ny dia.

Ho aiza intosny moa, maina teo tokoa

Izay niarahana nikolo.

Foana ny eny an-tanana, ny rivotra mifofo

Aiza no iantsampazana, torovana ity nofo

Fa sarotra ny dia, very ny fitia

Dify ilay malala

Mahantra samirery ity fo mamelovelo

Malahelo mbola tia.



Aza kivy na mamoy fo

Hisy hazavana ho anao

Mbola ho avy ny maraina

Hitondra hafaliana ho anao.



Izao tontolo izao, mihira ny fitia

Mihira ho anao

Izao tontolo izao, hiràko ny fitia

Tsy miova anatiko ao

Iza no antsoiko indray, aiza no alehako

Tsy haiko ny hanova izay fitiavana nekeko

Fa sarotra ny dia; very ny fitia

Dify ilay malala

Mahantra samirery ity fo mamelovelo

Malahelo mbola tia.



Fa na aiza na aiza ianao

Angamba mbola handre izao hirako izao

Mahantra samirery ity fo mamelovelo

Tsy miova tia anao.

Partager mbola tia

Commenter mbola tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro