4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza hilaozanao - Vola sy Noro



Aza hilaozanao ny trano

Masoko manganohano

Miangavy anao mba hiverina

Aza hilaozanao ny ankizy

Mitady anao ambozizy

Mitadidy mitamberimberina



Aza hilaozanao ny lasa

Fa ny zavatra voakasa

Mbola vitsy no efa vita

Aza hilaozanao ny ho avy

Efa antsika mianakavy

Angamba mety tsy ho tafita



Aza hilaozanao  ny alika

Miandry ny tananantsika

Amin’izao lohataona izao

Aza hilaozanao ny toky

Voatahiry anaty boky

Misy sora-tananao



Aza hilazanao ry aiko

Sy izay rehetraretra tsy aiko

F’ianao no mpibaiko anay

Aza hilaozanao zahay

F’ianao mandrakizay

No hany tena havanay




Partager aza hilaozanao

Commenter aza hilaozanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro