4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Very maina - Vola sy Noro

Very maina, ô! very maina

Ireo adin-tsaina izay nantenaina

Hampody aina ilay fitia

Very maina, ô! very maina

Izaho mangaina nandresy ireo hery tsy tia



Marina aloha fa nisy hadisoako maro

Poizina ratsy tonga nifangaroharo

Tamin’ilay fitiavana izay fantatrao

Fa tsy nitempo raha tsy ho anao



Marina aloha fa nitratrevatreva aho

Raha sendra mba diso kely iny ianao

’Reo endrikendrika hoe mety ho fitiavanao

Nadikako avy hatrany hoe fitiavana



Very maina ...



Tsaroako indray ilay andro iray izay nivoadiana

Fa n’inon’inona hitranga hiafiana

Teo anatrehan’ilay Avo izay Nahary

Kanjo izao vao ditsoka ary



Nandefitra aho indraindray, ianao koa

Izao no anjara angamba ka ho aiza moa

Mody ny lahatra no hoe omena tsiny

Nefa ny tena no efa tsy tiany



Ity tiana, ilay natao ho tanjona

Lasa nirintona nandao ny afonao

Saika hifonako hiverina kanefa

Efa tsy tiany aho matoa nilefa



Very maina ...



Tonony sy Feony: Paul Dason

Fandrindràna: Harry

Piano: Mbola

Orgue: Harry

Basse: Jacques

Batterie: Lalaina

Partager very maina

Commenter very maina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro