4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza ela - Vola sy Noro

Manganohano irery

Tsy misy mahalala

Ny afo amindroana

Tsaroana mamanala

Vetsovetso maro mirongatra ao an-tsaiko

Mangina ny ankany nilaozanao ry aiko



Ny dinidinintsika ireo hira izay fanao

Tsy mbola mangatsiaka ao am-poko ao

Ianao irery ihany, ianao no mahalala

Ny ahiahy sy ny alahelo raha lavitra ahy ianao



Aza ela ianao, aza ela

Tongava malaky

Fa ny embona mivela toa mila tsy ho tanty

Afarako mangina izao rehetra izao

Afarako ry tiana mba hiverenanao

Partager aza ela

Commenter aza ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro