4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Solo - Vola sy Noro

’Ty vonin-draozy ity taloha, nivelatra sy soa

Nomeny ho fahatsiarovana notehiriziko

Fotoana sarobidy mantsy, tsy hohadinoiko

Fa nahitako an’i Solo, ’lay fitiavako



Alakamisy ny andro moa, tsy nianatra izahay

Nanao voley aho ka nandresy ny ekipanay

Dia tonga i Solo, falifaly, menamenatra

Nanolotra ity raozy ity, natokany ho ahy



Nidoboka ny foko, gaga sady faly aho

Ny ankizy moa tsaroako, nananihany hoe "hmm, hmm"



Nampiripirina ny boky tao an-trano aho izao

Dia nojereko ’lay nisy azy, k’indro mbola tao

Folo taona lasa izany e! Lasana tokoa

Tsiaro sisa mitanisa, maina ’lay raozy soa



Tamin’izay fotoana izay tsy nampoiziko akory

Dia indro izy fa nandalo teo an-tranonay

Tsy nino aho fa sao dia nofy, tsy naharitra

Ka niantsoantso "Solo! Rasolo! Moa Solo va ianao?"



Nidoboka ny foko, gaga sady faly aho

Ny zavatra tsaroako, horak’ankizy hoe "hmm, hmm"



Tafaresaka izahay, nifanatsafa koa

Nifanontany vaovao, falifaly am-po

Nilaza i Solo, feno tsiky "Dimy izao ny ankizy"

Ny ahy kosa telo hoy aho, bolangina ’zay ts’izy



Kakakaka toa nikotaba teo ’zahay sy Solo

Avy eo nasehoko azy teo ’lay raozy maina volo

Tadidiny, tadidiko, nihomehy tokoa izahay

Fitia fahazaza ireny, nadio dia nadio taminay



Nidoboka ny foko, mitoetra ao am-poko ao

’Lay teny hokoloiko "mpisakaiza isika izao"



La! la! la! la! la! la! ...

Partager solo

Commenter solo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro