4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avelao - Vola sy Noro

Kororohinao ny heloky ny lasa

Dia karohinao hovàna ny taloha

Ny fandraofan-drano raraka tsy asa

hahasoa ka ivadihana ati-doha



Avelao fa tena tsy azo atao

Ny mamoha fota-mandry

Efa fantatrao

Avelao izay taloha fandrao

Holotoiny eo ny ampitso vaovao



Fa ny lasanao anie anao irery

Ny omaliko tsy misy anjaranao

Ny fitanisàna izany fotoam-bery

Tsy izay hahasoa antsika ve no atao



Avelao...



Ndeha heverintsika hoe manomboka eto

Vao nateraka indray izaho sy ianao

Nifanandrana ho eo ny hehy sy sento

Ny lonjonin-dromoromo tsy ho ao



Avelao...



Tonony sy feony: Bessa

Arrangement: Harry

Partager avelao

Commenter avelao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro