4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hirahiram-poko - Vola sy Noro

Ny hirarahiram-poko, hiran’ ny fitia

Ny vetsoko misoko, maniry hiara-dia

Ny saina maminany ny ampitso anilanao

Ny ampitso sy ny ho avy hiombonako aminao

Ny hirarahiram-poko, hiran’ ny fitia

Ny vetsoko misoko, maniry hiara-dia

Ny saina maminany ny ampitso anilanao

Ny ampitso sy ny ho avy hiombonako aminao



Ny hiran’ ny maraina ary ny hariva

Mikalo ivaiva

Kanefa sombin’aina, ny  hirako ho anao

Mbola hafa noho ireny



Tiako ny eo an-tsadrinao mialoka hafaliana, safosafo

Tiako ny eo an-tratranao ry aiko no hiampify ravoravo

Eo no hitafaka mora ny fitia koboniko ao

Ka ny hirahiram-poko, tiako ho hirahiranao

Tiako ny eo an-tsadrinao mialoka hafaliana, safosafo

Tiako ny eo an-tratranao ry aiko no hiampify ravoravo

Eo no hitafaka mora ny fitia koboniko ao

Ka ny hirahiram-poko, tiako ho hirahiranao

Partager ny hirahiram-poko

Commenter ny hirahiram-poko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro