4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza dia miniana - Vola sy Noro

Tsy fantatrao mihitsy angamba

Ny fitiavako anao ?

Isan’andro ny fiainako

Tsaroako misy banga

Raha tsy eo anilanao.



Averiko eto indray izao :

Tsy miova sanatria

Ny foko tia anao.

Tsy misy hahavono

Mety hahasolo ny anaranao.

Omeko tsy voafetra

Ho anao irery ny fitiavako.

oh oh oh

Aza dia miniana

Handositra ny tavako !



Indraindray mantsy tsy tsaroanao

Mankararirary fo ny teninao.

Hany heriko aleoko dia mangina

Tsy mamaly anao.

Nohon’ ny zavatra tsy misy ve hinoako

Hahafaty ny fitia izay nokoloiko

Ka ny resaka sy tsaho ombieny ombieny

No handaozako anao ?



Averiko...

Partager aza dia miniana

Commenter aza dia miniana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro