4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy neniko nefa - Vola sy Noro

Nifankatia tokoa, nahay niara-droa raha izaho sy ianao

Toa voamaso roa, iray vatana sy loha raha izaho sy ianao

Iza no nanampo fa hoe mbola hikoa, hikoa toa izao

Ilay rova soa izay niombonako taminao



Tsy neniko nefa lala ô ny nitia anao

Nafonja sy ngeza na dia kilalao

Voaloham-pitia toa ireo nofy tsara

Rava satria tsy mbola anjara



Hira sy feom-baliha, nahay niara-dia raha izaho sy ianao

Salanitra ery, nidola samy tia raha izaho sy ianao

Kanefa tsy hitahita, hay vary niha-ritra lay fitia toa kamory

Niaraha-nilomano ’lay voronkely mamo resin-tory



Tsy neniko nefa ...



Nazoto nifanjohy toa tsy hifankafoy raha izaho sy ianao

Sahala siasia, nitovy karajia raha izaho sy ianao

Kinanjo tsy nitohy, tantara fohy dia fohy toa tsindriandrian-jaza

’Lay santatra malala, ’lay sarina adala lany manta



Tsy neniko nefa ...





Tonony sy feony: Paul Dason

Nandrindra: Harry

Partager tsy neniko nefa

Commenter tsy neniko nefa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro