4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho avy ny maraina - Vola sy Noro

Ho aiza intsony moa, tsy hita ‘zay aleha

Miazina ny ety

Ho aiza intsony moa, maina teo tokoa

‘Zay niarahana nikolo

Foana ny eny antanana, ny rivotra nifofo

Aiza no iantsapazana

Torovana ity nofo

Fa safotra ny dia, very ny fitia

Dify ‘lay malala

Mahantra samirery, ty fo mamelovelo t

Malahelo mbola tia



Réf:

Aza kivy na mamoy fo

Hisy hazavana ho anao

Mbola ho avy ny maraina

Hitondra hafalina ho anao





Izao tontolo izao, mihira ny fitia

Mihira ho anao

Izao tontolo izao, hirako ny fitia

Tsy miova anatiko ao

Iza no natsoiko indray, aiza no alehako

Tsy haiko ny hanova izay fitiavana nekeko



Fa n’aiza n’aiza ianao, angamba mbola handre

‘Zao hirako izao

Mahantra samirery ty fo mamelovelo

Tsy miova tia anao



Réf:



Fa n’aiza n’aiza ianao, angamba mbola handre

Zao hirako izao

Mahantra samirery, ‘ty fo mamelovelo

Tsy miova tia anao

Partager ho avy ny maraina

Commenter ho avy ny maraina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro