4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Akom-pahatsiarovana - Vola sy Noro

Manonja, toy ny onja

Izany fahatsiarovana izany

Tonga dia mirintona

Miverinberina eo ihany



Fa ranomaisina iny, he mangeniheny

Ny saiko lasan’iny, sadaikatra hiteny

Mahita itony pejy sy ny anaranao

Voasoratra ao, sy ao am-poko ao

Nandoro nahamay ny masoandrontsika

Nifanjo ho iray ny diatongontsika

Ny sisa izay tavela mieloelo ao

Akon’hira ela hatrao anatiko ao.



Tsiaro mifangaro, zava-maromaro

Tonga ao an-tsaiko ao



Eny fa hatraiza

Izany fahatsiarovana izany

Mangaina ny tontolo

Mipitrapitra eo ihany



Fa tany karankaina, no manoloana eto

Voary savolaina torovandrovan-tsento

Ny manodidina ahy voajeriko avokoa

Mitady ny fanahy niainana taloha.

Hitako ao ihany ilay hazo mamintsika

Voasoratr’amin’izany ireo anarantsika

Miverina mangina ao an-tsofiko ao

Ny tafam-pifaliana avy eo imolotrao



Tsiaro mifangaro, zava-maromaro

Tonga ao an-tsaiko ao



Fa tany karankaina, ny manoloana eto

..

Partager akom-pahatsiarovana

Commenter akom-pahatsiarovana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Vola sy Noro