4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampianaro - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Ampianaro aho hahalala sy hankato izay sitrakao

Ampianaro tsy hisalasala fa azo antoka ny herinao

Ampianaro aho ry Jesoa tia tsy hanadino ny famonjenao

Ampianaro koa tsy hania fa mba hahay hifikitra Aminao



Tsy nanenenako ry Jesoa Tompo ny nanekeko ho tarihinao

Fa nanome hery hatrany ny finoako

Ny fitahiana efa natolotrao

Na dia tsy takatry ny saiko aza izay fomba fitantananao

Inoako hatrany f'izay no sahaza

Satria mahatoky ny fitiavanao



Ampianaro aho hanetry tena

Raha misy fahasoavana azoko

F'Ianao no loharanom-pandresena

Izay nihavian'ny fifaliako



Ampianaro aho ho sahy hijoro

Ka hanambara ny fitiavanao

Fa ny finoana ano tsy hikoro

Ho an'izay manao ny asanao



Ampianaro aho hahazaka

Izay fitsapàna mihatra amiko

F'Ianao ilay Mpanjakan'ny mpanjaka

No mpiandry tsara ho an'ny fiainako

Partager ampianaro

Commenter ampianaro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite