4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hitory ny anaranao - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Saotra dera ho Anao ry Andriamanitra mahery

Noho ny voninahitrao sy ilay Anaranao ambony

Fa tsy sitrakao ry Tompo ny hasasaranay ho very

Fa nirahinao hatrany izahay andeha hitory (Anao)



Hitory ny Anarao amin'ny rahalahiko aho

Izay no voadiko mpamonjy mandram-pialako eto an-tany

Ô arovy lalandava, ajoroy sy hatanjaho

Tsy ho resin'ny satàna fa handresy hatrany hatrany



Taona maro nifandimby no nitoriana ny herinao

Nefa mbola sesehena no tsy mba manam-pifaliana

Ka ny aiko, ireo talentako sy izao heriko izao

Dia atolotro ho Anao ry Ray, ho fitaovam-pitoriana (Anao)

Partager hitory ny anaranao

Commenter hitory ny anaranao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite