4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miorena tsara - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Efa akaiky ilay andro hiavian'ny Tompo izao

Efa ho avy ny fotoana hitsaharana amin'izay

Amin'izay fotoana izay no hamaliana ny asanao

Hijinjana izay natao teto an-tany hatrizay



Efa akaiky ilay andro handaozanao izao nofo izao

Efa ho avy ny fotoana hodiana vovoka indray

Amin'izay fotoana izay tsy hisy intsony ny azo atao

Eo no hiandrasanao ilay fitsaràna iray



Ka mba faniriako raha toa ka mety ianao

Miambena tsara, tano ny finoanao

Tena fifaliako raha toa ka sitrakao

Dia isika izao hifampitantana ho ao



Miorena tsara, aza miova

Oh, miasà mijoroa

Fa efa ho avy ny Tompo handray ny azy

Ka dia miomàna izao

Partager miorena tsara

Commenter miorena tsara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite