4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aoka jehovah hifaly amin'ny asany (salamo 104) - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Ho mandrakizay anie Ny voninahitr'i Jehovah

Aoka Jehovah hifaly, hifaly amin'ny asany!



Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha

Ho any amin'izay namboarinao hitoerany

Efa nasiana fetra tsy hoharany izy

Mba tsy hiverina hanarona ny tany



Endrey ny hamaroan'ny asanao Jehovah ô ( ny asanao Jehovah ô)

Endrey ny hamaroan'ny asanao Jehovah ô ( ny asanao Jehovah ô)

Fahendrena no nanaovanao azy (fahendrena ho azy)

Henika ny hasoavanao ny tany (henika ny tany)



Nanao ny volana ho fotoana Izy

Ary ny masoandro mahalala ny filentehany

Nahatonga aizina Ianao dia tonga ny alina

Ka nivezivezy ny biby rehetra any an'ala



Endrey ny hamaroan'ny asanao Jehovah ô ( ny asanao Jehovah ô)

Endrey ny hamaroan'ny asanao Jehovah ô ( ny asanao Jehovah ô)

Fahendrena no nanaovanao azy (fahendrena ho azy)

Henika ny hasoavanao ny tany (henika ny tany)

Aoka Jehovah hifaly amin'ny asana (hifaly amin'ny asany)

Aoka Jehovah hifaly amin'ny asana (hifaly amin'ny asany)

Partager aoka jehovah hifaly amin'ny asany (salamo 104)

Commenter aoka jehovah hifaly amin'ny asany (salamo 104)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite