4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahafinaritra - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Mahafinaraitra ahy ny miaraka @ Jesoa

Tsy mba misy mampanahy Izy no hiankinako

N’aiza n’aiza no aleha n’inoninona hanjoa

Mahafinaritra ahy re ny miaraka @ Jesoa



Ny fiainako eto an-tany dia mizotra hatrany

Ny fiainako any an-koatra efa tsara voatra koa..

Ra Izy no ao am-po ho mirana tokoa

Ny fanahiana hody fahasahiana

Ra Izy no ao am-po ho mirana tokoa

Ny fahoriana hody fifaliana



Mba izahao fa tena tsara Jehovah

manome fiainam-baovao ary tsy hanenenanao

Ho sambatra izay mialoka aminy

Sy mankatoa ny teniny

Fa ho mpandova ny any an-danitra

Hitoeram-boninahitra

Hiadana ho finaritra

Ka ho tena sambatra tokoa.

Partager mahafinaritra

Commenter mahafinaritra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite