4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa tsara ny mihira (salamo 147) - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Haleloia fa tsara ny mihira

Ho an'Andriamanitsika !



Haleloia avia mihirà Fideràna ho an'i Jehovah

Manandràta feo mankalazà Fa lehibe ny Tompontsika

Izay nanao ny ranon'orana Nampaniry koa ny ahitra

Mahasitrana ny ferinao Sy mahavoky vary tsara anao

Mankalazà an'Andriamanitsika Amin'ny lokanga sy ny dihy

Ka venteso ny hira araho mozika Dia andeha isika hiara-dia

Hankalaza ny Ray



Fa tsara ny mihira

(Tena tsara tokoa raha vokatry ny fo

Ny mihira fideràna ho an'ny Tompo Tsitoha)

Ho an'Andriamanitra

(Fa ny hira fideràna sy ny fankalazàna

No hasandrato hanakoako hanerana ny tontolo)

Mamy sady mendrika



Eny mamy sady mendrika

Ireo fideràna...



Derao Andriamanitrao ry ziona

(fa lehibe ny Tompontsika)

Hasandrato hatrany ny Anarany

(Derao ny Tompo)

Tsy hita lany ny fahalalàny

(Fa) Lehibe ny voninahiny



Mandrakizay ny famindrampony

(Fa) Lehibe ny voninahiny



Tsara indrindra(fa tsara) ny mihira fideràna ho anao

Jehovah mahery, derainay Ianao

Partager fa tsara ny mihira (salamo 147)

Commenter fa tsara ny mihira (salamo 147)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite