4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mmfa (maharitra mandrakizay ny fiderana azy) - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Tsy hierika intsony aho fa manana Anao

Hatramin’izay, hatramin’izao

Tokin’ny fo ny eo akaikinao

Satry tokoa hiaraka aminao



Isan’andro aho te hilaza ny hatsaranao

Falifaly lalandava mankalaza Anao

Mendrika ho Anao ny haja Tompo tia ô

Ny olonao rehetra hiondrika hidera



Hiaraka aminay hankalaza ny Tsitoha

Lay Mpanjakan’ny mpanjaka

Sady Tompon’ny tompo

Tsy ho reraka hatrety ka hatrary

Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy



Sitraky ny fonao ny hiantso ahy

Hanandra-peo hamoky Fanahy

Hitaona ny maro ho ao aminao

Inty aho raiko ô anao ka hanjakao



Tompo Mpanjaka mahery namoron’izao hita izao

Ny zavaboahary rehetra dia samy asan’ny tanany

Tsisy Mpamonjy azo antoka ankoatr’ilay Tompo soa

Ankalazaina eran-tany ny anarany hatrany an-danitra

Partager mmfa (maharitra mandrakizay ny fiderana azy)

Commenter mmfa (maharitra mandrakizay ny fiderana azy)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite