4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avo indrindra - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Fa lehibe ny famindram-ponao

Novonjenao ny fanahiko

Ampianaro ny lalanao aho

Dia handeha amin'ny fahamarinanao



Ka hidera Anao amin'ny foko aho

Hanome voninahitra

Ny Anaranao mandrakizay Jehovah ô



Tsy misy toa Anao ry Tompo sy Andrimanitro

Izao rehetra izao dia hiankohoka Aminao

Hanome voninahitra Anao



Fa lehibe ny fitiavanao

Maneho fa Avo indrindra Ianao

Hiantso Anao amin'ny androm-piainako aho

Dia hamaly ahy tokoa Ianao



Ka hidera Anao amin'ny foko aho

Hanome voninahitra

Ny Anaranao mandrakizay Jehovah ô



Lehibe Ianao ka manao fahagagàna

Ianao irery no Andriamanitra

Tsara Ianao

Partager avo indrindra

Commenter avo indrindra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite