4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isaorako anao - Antsan'i Fenomanana







REF: Ny lalanao no ho lalako

Izay sitrakao no faniriako

Tsy ho sasatra aho ny hiantso ny Anaranao

O! ry Tompo, ry Tompoko.





1- Ny andro nomenao ahy, Isaorako Anao

Na fohy na ho lava koa, Isaorako Anao

Na manana aho na ory, Isaorako Anao



2- Raha tojo hafaliana aho, Isaorako Anao

Noho ireo soa nomenao, Isaorako Anao

Ho fahasambarana ho ahy, Isaorako Anao



3- Ny kapoka nomenao, Isaorako Anao

Mbola hanolatra koa, Isaorako Anao

Ho fahatsiarovana ho ahy, Isaorako Anao



4- Fa na lavitra sy sarotra, mideza sesehena

Tsy ho sasatra aho anefa fa mitantana ahy Ianao

Tsy ho kivy tsy ho ketraka, na tsapako mavesatra

Mandrotika aty fo, ny fanarahandia Anao e

Ka ny Hazo fijaliana, ho lanjaiko am-pifaliana

Raha ny ngidim-pahoriana , ho reseko am-pitsikiana







Volume 2 « NY FIANGONANA NO FIOMBONANA »

Partager isaorako anao

Commenter isaorako anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana