4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompo o, asehoy anay ny ray - Antsan'i Fenomanana

TOMPO O ASEHOY ANAY NY RAY



REF: Tompo ô, asehoy anay ny Ray e!

Tompo ô, asehoy anay ny Ray e!



1- Izao tontolo harin-tananao izao

Dia manambara fa tsisy toa Anao

Ka mendrika hiderana Anao ry Ray

Fa izahay ninia tsy nahatoky Anao



2- Nohariana hitovy endrika Aminao izahay

Hifankatia tsy hifanavakavaka

Mahery ny fankam-panahy ry Ray

Ka izahay ninia tsy nahalala Anao



3- Nijoro ho andry hiankinanay Ianao

Raha toa ka tojo ny onjam-piainana

Nanolo-tànana anay Ianao

Fa izahay ninia tsy nifikitra Aminao



Volume I \" MIFANKATIAVA\"

Partager tompo o, asehoy anay ny ray

Commenter tompo o, asehoy anay ny ray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana