4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voady - Antsan'i Fenomanana





FIV: Eny Tompo, antsitrapo

No hanoloranany tena imasonao

Tsy antery, fa vokatry ny fo,

Raisonao, raisonao ka anjakao.



1- Ianao no nampahiratra ireo nijaly,

Nihitsoka tanatin’ny haizim-pahajambana

Ampio ‘zahay hanaiky sy hankato Anao ry Ray

Hahasitrana ny masom-panahinay



2- Ianao no nampitsangana ireo malemy

Niharitra ny fijaliana nentiny

Ampio ‘zahay hanaiky ny ho havaozinao ry Ray

Ho mafy orina, hijoro tsy hiontsona.



3- Ianao no nampisokatra ny fandrenesanay

Voafatotry ny rrendrarendra amantsitrapo

Ampio ‘zahay hahay handray ny teninao ry Ray

Ka ny tany anie, ho tahaka ny lanitra





Volume 2 « NY FIANGONANA NO FIOMBONANA »

Partager voady

Commenter voady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana