4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miverena - Antsan'i Fenomanana

1- O! ry mpivahiny izay trotraky ny dia

Tsarovy fa efa hariva izao ny andro

Aoka tsy ho varimbariana foana ianao

Na tsy nahita izay notadiavina aza.



Henoy Jesoa Tompo

Mibitsila anao

Manantena ny hiverenanao.



2- O! ry zanaka nandao izany akany

Lany andro re nandany ireny harena

Tsy nisaina akory izay mety hiafarana

Nanompo ny haren’izao tontolo izao.



Ekeo Jesoa Tompo

Faly anasa anao

Miandry ny fiverenanao.



3- O! ry ondry izay nania tsy nisaina akory

Ninia nikipy tsy hahalala ny Ray.

Ka nivoaka sy nadao izany vala

Satria voasariky ny fiainana mandalo



Raiso i Jesoa Tompo

Nahafoy ny ainy ho anao

Ho amin’ny fiverenanao.



Volume I « MIFANKATIAVA » Page :1

Partager miverena

Commenter miverena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana