4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mitsangana - mirosoa - Antsan'i Fenomanana













1- Zovy moa no tsy mahalala fa fandalovana fotsiny ihany izao rehetra izao

Fa mamono sofina tsy handre, ilay Andriamanitra Ray loharanon’aina e !

Izy ihany no niandohana ary Izy no mbola hiafarana

Ny fihavanana no tandrovy, ny ho avy ary no tsinjovy fa sarotra e ‘zany lalana

Ny fifankatiavana no hamafiso, ho antoky ny ampitso fa lavitra e ‘zany lalana.









FIV:   Sambatra e, sambatra

Zay nandray ny Hazo fijaliana

Niharitra ampitokiana e!

Sambatra e, sambatra fa:

Izy no handova ny lanitra.







2- Dieny misy ary ny fotoana dia hararaoty fa sao mivaona amin’izay aleha

Sanatria tsy hoe faharesena na henatra, ny miverin-dalana.

Andriamanitra be fitia tsy ho sasatra miandry foana

Fa sao diso aoriana loatra e, ny nenina anie handatsa ry havako tena marina

Mitsangàna ka mijoroa e, ‘ndao ary mirosoa amin’ny lalina, tena lalina.







Volume 2 « NY FIANGONANA NO FIOMBONANA ».

Partager mitsangana - mirosoa

Commenter mitsangana - mirosoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana