4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry jesoa kristy tompo - Antsan'i Fenomanana

REF: Ry Jesoa Kristy Tompo Zokinay

Masoandro amambolan’ny fiainanay

Arovy sy tsilovy hatrany izahay zandrinao

Na sarotra sy lavitra aza

Ny lalana hizoranay

Matoky izahay fa  manana Anao.



1- Omeo anay ny fahendrena

Hankatoavanay ny didinao

Mba hizoranay amin’ny lalam-baovao

Omeo anay ny fitiavana

Hery hampifamatotra anay

Hiombonanay aina,

Hitambatra ho iray tokoa

O! mba henoy ny antsonay

RY Jesoa Kristy Tompo Zokinay

O! mba henoy, henoy ny antsonay.



2- Omeo anay ny fahazavana

Hampahiratra ny masonay

Hiverenanay ondry nania ao ambalanao

Ka ny haizin-kitroka hisava

Hiposaka ilay maraina vao

Hisantaranay ny fiainana mandrakizay

O! mba henoy ny antsonay

RY Jesoa Kristy Tompo Zokinay

O! mba henoy, henoy ny antsonay.


Partager ry jesoa kristy tompo

Commenter ry jesoa kristy tompo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana