4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mifankatiava ianareo - Antsan'i Fenomanana





1- Isika vory eto izao

No ho mpirahalahy mian’ala

K’izaho anie ho tokinao

Ianao kosa ho tokiko.





FIV: Mifankatiava e, mifankatia

Mifankatiava ianareo

F’izay no hahalalana fa mpianatro

Raha mahay mifankatia.





2- Isika vory eto izao

No ho toy ny rano sy vary

Ka na antsaha na antanana anie

Tsy hifanary, tsy hifandao





3- Isika vory eto izao

No ho trano atsimo, avaratra

K’izay tsy mahalena ihany anie

No ndeha hialofantsika

Partager mifankatiava ianareo

Commenter mifankatiava ianareo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana