4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny dian-tongotrao - Antsan'i Fenomanana

Atopatopan’ny onjan-drano

Ny sambokelin’ny fiainako

Iza moa no antenaiko,

Hanavotra ahy

Hankahery ahy

Soa ihany fa teo ianao

Isaorako ny anaranao tompo ô!



Ref:

Sambatra aho Jeso tompo ô,

Velona ato anatiko ianao

      2x: Ny dia-tongotrao no sisa

            Namakivaky tora-pasika



Ny hazo fijaliana izay nentinao

No ho banjiniko

Ahalalako ny fitsapana

Atolotrao mba ho anjarako

Na mangidy aza ho sotroiko

Isaorako ny anaranao tompo ô



Ref:

Sambatra aho Jeso tompo ô,

Velona ato anatiko ianao

           2x:Ny dia-tongotrao no sisa

                Namakivaky tora-pasika

Soa ihany fa teo ianao

Isaorako ny anaranao tompo ô

       na mangidy aza ho sotroiko

       Isaorako ny anaranao tompo ô





de: Théophile

Partager ny dian-tongotrao

Commenter ny dian-tongotrao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana