4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fiangonana no fiombonana - Antsan'i Fenomanana









1- Zavatra mahasondriana,

Mahavaka ny saina

Fahita ombieny , ombieny :

« Mpivavaka hono ireny e ! »

Fa toa samihafa ihany ,

Ny fiainany andavan’andro

Sy ny fiainam-panahy,

Niraisana ny Alahady ô!



REF: Ny Fiangonana, no fiombonana

K’aza atao filantsy mahita ihany e!

Ny fiarahan-dalana amin’ny Tompo.

Ny Fiangonana no fiombonana,

Ka tsy ho antendro-molotra fotsiny ihany e!

Ny finoana velona hatrizay a!





2- Raha tonga ny andro fety,

Andro fankalazana

Dia hiboka tsy hay dikaina,

Ny fitafy tsy hay lazaina!

Fa be ny mikombom-bava,

Toa tsy mahalala intsony,

Ny antony nirosoany,

Fa nasesiky ny ambom-pony ô!



3- Maro amin’ireo tanora,

Milaza ho mato-tsaina,

Miroso amin’ny fifanekena,

Ho tsofindrano fa fomba izany e!

Nisosa ary ny fotoana,

Nivalona koa ny taona,

Very hasina ilay voady,

Veloma ry Mariazy ô!



4- Raha misy manetry tena,

Manao ny asa fanompoana

Dia maro ny mpitsikera,

Manakiana sy manakora.

Ny fiarahana milanja,

Sy fiarahana mamindra,

No fanohitra tsara indrindra,

Hampilamina sy hampirindra ô!



5- Ho faranana ny tantara,

Fa sao mihoatra ny mety,

Tsy hoe mahay milaza,

F’izany no zava-misy.

Ataovy voankazo an’ala,

Ny mamy ihany no hatelemo,

Tsarovy sy ataovy antsaina.

Ny hafatra nampitaina e!







Volume 2 « NY FIANGONANA NO FIOMBONANA »

Partager ny fiangonana no fiombonana

Commenter ny fiangonana no fiombonana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana