4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aina avy aminao - Antsan'i Fenomanana

AINA AVY AMINAO



1- Toy ny rano mikoriana

Tsy mahita ny hiafarany

Izao diako izao.

Fa matetika aho no lavo

Anaty ona tsy hita fetra

Tsy mba nisy ireo nitsetra

Fa ny bitsikao mangina

Nanambara am-panahiana

Ndeha hizory izay nodiaviko



FIV : Tompo ô, ry Tompoko ,Ianao no tokiko,

Ka na inona hidona sy hanjo ,Ianao no manda fiarovako

Eny matoky aho manana Anao,

Mitantana ny fiainako.



2- Toy ny erika mifafy

Mahangoly ny fanahy

Izato tetik’I Satana.

E! toa vahotra ny nofo

Mitofezaky ny hatsiaka

Sy ny rivotra nifofo

Fa ny afon’ny Fanahy

Miredareda tsy hay tohaina

No hamindroako am-pifaliana



3- Voninkazo maro loko

Mampitsiky ny maraina

Izato lapanao ry Ray.

Mampisokatra ny fo

Voaratran’alahelo

Nitoloko an-dranomaso

Fa ilay Aina vaovao

Ilay Aina avy Aminao

No hisantarako izao.



Volume 1 \" MIFANKATIAVA\"

Partager aina avy aminao

Commenter aina avy aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana